VOVONAM-PIRENENA KATOLIKAN’NY LEHIBE

ANDRO NASIONALIN’NY OLON-DEHIBE

JNA MADA II - 28-29-30-31 Aogositra 2025

Olon-dehibe mijoro amin’ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Rom 5,5

LOT IVG 199 - Nouvel immeuble CNPC Antanimena – Porte 09

Tél. 034 18 009 70 | E-mail : vpklmdg@gmail.com

TOLOTRA MISOKATRA HO AN’NY MPANAO ASA PRINTY

Daty namoahana ny tolo-bidy : 24/07/2025

Toerana : Madagasikara

Mpisehatra voakasika : ireo mpanao asa printy matihanina (imprimerie, société de service)

I- Fampahafantarana

Ny Vovonam-pirenena Katolikan’ny Lehibe – VPKL sy ny Vaomieran’ny Serasera JNA MADA II dia manao antso ho an’ny tolotra izay mizara ho Lot araka ny fanazavana etsy ambany.

Ity antso ity dia misokatra ho an’ireo mpisehatra matihanina rehetra amin’ny asa printy.

II- Tanjona

  • Ny mba hahafahan’ny olona rehetra misitraka sy mandray anjara amin’ny tsena
  • Ny hisian’ny mangarahara amin’ny fisafidianana ny tolotra
  • Ny hananana mpamatsy vaovao sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra

III- Mahakasika ny tolotra

Ny asa angatahina :

LotZavatra ilainaRefyLokoTaratasy ampiasainaIsa
Lot n°1Bokin’ny mpivahiny14.8 x 21 cmCouverture : Quadrichromie
Anatiny : 4 pages quadri, 44 pages manga/mainty
PCB 250g (ivelany), Offset 60g (anatiny)6500 ex
Lot n°2Badge avec cordon10.5 x 15 cmRecto verso, quadrichromie, avec perfo + cordonPCB 250g6500 ex
Lot n°4Vavaky ny JNA7 x 15 cmRecto : quadri / Verso : monochromiePCB 250g6500 ex
  • Azon’ny mpanome tolotra atao ny maka lot iray na maromaro.
  • Marihana ao anatin’ny tolotra ny fepetra amin’ny fandoavam-bola.
  • Marihana ao anatin’ny tolotra ny fe-potoana hanatanterahana ny asa (BAT - tirage - livraison).
  • Fepetra fanampiny : manana taratasy fanamarinana karatra statistika sy NIF.

IV- Fifandraisana

Ny andinindininy mahakasika ny tolotra dia navoaka ao amin’ny tranonkala https://jna2025.katolika.net sy ao amin’ny pejy Facebook : JNA 2025

Ny tolotra dia alefa amin’ny adiresy mailaka :

communication-jna2025@katolika.net

A/toa - R/toa Tompon’andraikitry ny Commission communication JNA MADA II

V- Daty farany fandraisana ny tolotra

01/08/2025 amin’ny 6:00 hariva

Antananarivo, faha 24/07/2025

© Apostolat Digital Md Paoly Antananarivo 2025